Kolontsaina: Mana-talenta miisa 7 no solontenan’ny Madagasikara amin’ny The Voice
Andro vitsy sisa no isaina dia afaka hanaraka amin’ny fahitalavitra ny lalao Afriknina The Voice ny mponina Afrika rehetra. Amini’ty indray mitoraka ity dia manana solontena miisa 7 I Madagasikara. Miisa 12 308 ireo mpifanina amin’ity andiany ity. Avy amin’ny firenena maro izany izay ahitana an’ny Madagascar, Nigeria, Kenya, Seychelles, Tchad, Ouganda, Congo, Zambie, Tanzanie, Rwanda, Gabon, Malawi ary ny Repoblika Demokratikan’ny Congo izay.
“Miisa 7 ny solontenantsika eto Madagasikara. Amin’ireo mpilalao 100 izay handray anjara dia manana ny anjara toerany ihany koa ireto Malagasy ireto rah any talenta no jerena. Hitondra avo ny anaran’ny Madagasikara izany talentan’izy ireo izany”, hoy ny avy ao amin’ny Airtel Madagasikara, mpanohana ny hetsika.
“Tsy miova ny firafitry ny lalao fa toy ny lalao The Voice iraisam-pirenena efa nahazatra hatramin’izay ka hiantomboka amin’ny “auditions à l’aveuglette” izany, hitohy amin’ny “battles”, ny K.O, manaraka izany ny fifanintsanana ary hifarana amin’ny fampisehoana mivantana. Haharitra 25 herinandro ny lalao izay tsy hisy afatsy mpandray anjara miisa 100 amin’ny farany”, hoy ny fanazavana avy amin’ny mpikarakara.
Hahasarika mpanaraka Afrikanina sy manerana izao tontolo izao ity hetsika ity. Hamory mpanentana fandaharana sy coach maro manerana ny Afrika ihany koa ity hetsika “The Voice “ity izay hahita sy hamoaka manatalenta iray hitondra ny anarana hoe “The Voice Africa 2023”. Hanomboka ny 26 martsa izoa ny fandefasana izany lalao izany amin’ny fahitalavitra izay haharitra 25 herinandro ka fandaharana iray isaky ny herinandro no hanarahana azy.
Miora Raharisolo
