ActualitésTsidika

Sosialy : Misokatra hatramin’ny 21 may izao ny fisoratana anarana amin’ny POESAM

Efa nisokatra nanomboka ny 13 martsa teo ny fisoratana anarana amin’ny Prix Orange de l’Entrepreneur Social en Afrique et au Moyen-Orient (POESAM) 2023 ary tsy hifarana izany raha tsy ny 21 mai izao. Efa andiany faha-telo ambiny folo ity amin’ity taona ity. An-jotra tanteraka ny fisoratana anarana. Raha ampatsiahivina ny POESAM dia fifaninanana fanangananana orinasa mahakasika ny teknolojia sy ny fifandraisana ka misy fiantraikany mazava any amin’ny sosialim-bahoaka. Afaka mandray anjara amin’izany avokoa araka izany ny tanora Malagasy rehetra manana vin any hampandroso ny sosialy.

« Hanatanteraka fanampiana ireo izay te handray anjara amin’ity fifaninanana ity izahay toy ny efa nataonay ny talata teo. Fotoana ahafahan’ireo mpandray anjara mametraka ny fanontaniana manitikitika ny sain’izy ireo. Raha manana tetik’asa mahakasika ny fanabeazana, fahasalamana, varotra an-jotra, fambolena na fanatanterahana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra ianao dia afaka mandray anjara. Marihina anefa fa tokony misy hifandraisan’ny teknolojia sy ny fifandraisana izany tetik’asa izany », hoy ny avy ao amin’ny Orange Digital Center Madagascar.

Ny orange izay tambazotra iray efa mahanika ny Afrika manontolo ka ireo rehetra manana vin any hampandroso an’ny Afrika araka izany no antsoina handray anjara. « Mitentina 25 000 euros ny loka ho an’izay hahazo ny laharana voalohany, 15 000 euros kosa ho an’ny faharoa ary 10 000 euros ho an’ny fahatelo. Io lelavola io izay hatolotra ahafahan’ireo mpandresy ireo manatanteraka ny vinany », hoy hatrany ny fanazavana.

Ankoatra ny fampandrosoana ara-tsosialy dia fotoana iray ahafahana maneho ny fahaizan’ny Malagasy ity fotoana ity. Mandritra ity fotoana ity no ahafahana mampiseho ny fahavononan’ny Malagasy ho amin’ny fampandrosoana indrindra ho an’ny faritra andalam-pandrosoana rehetra. Araka izany, mbola tsy tara raha vonona handray anjara amin’izany ianao.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire