Azo heverina ve ny fidinan’ny vidim-piainana
Ny alatsinainy 27 septambra 2021, taorian’ny nigadonany teto an-toerana dia nitafa tamin’ny vahoaka malagasy ny i Andry Rajoelina. Anisan’ny nolazainy tamin’izany ny fitondrany vahaolana mahakasika ny vidin’ny entana ilaina andavan’andro ny filoha. Nolazainy tamin’izany fa ho avy ny sambo miisa 20 izay mitondra ny kojakoja sy ny entana ilaina andavan’andro toy ny vary, siramamy.
Raha tsiahivina nandritra ny fihanaky ny valan’aretina Covid-19 teto an-toerana dia tafiakatra 1 000 Ar ny vidin’ny iray kapoaka amin’ny vary teto antananarivo ka nampitaraina ny vahoaka izany. Taorian’izay, dia tsy nahitana fidinana firy izany vidin’entana izany ka izay no nahatonga ny fitondram-panjakana nandray izao fanapahan-kevitra izao ka nanafatra ireo « PPN » ireo.
Nanambara ny filoha fa voalohany amin’ny tantaran’ny malagasy ny fisian’ity fidinan’ny vidin’entana ity, ary mahatsapa tena ho tompon’andraikitra ny fitondram-panjakana raha mahare ny tarainan’ny vahoaka malagasy. Hoy i Erick, raim-pianakaviana : « ny zavatra toy izany no ilain’ny vahoaka malagasy fa tsy ny telephérique tsy ho takatry ny be sy ny maro akory ».
Manampy ny vahoaka malagasy tokoa ny fijerena akaiky ny sosialim-bahoaka, tsy ny fisehoana fa tsara sy mirindra ny tanana no tena fandrosoana fa anisany fototry ny fandrosoana ihany koa ny fitsinjovana ny fari-piainan’ny mponina.
Aurélien Tsitarihina
