ActualitésTsidika

Famatsian-drano : vita ny foto-drafitr’asa hamatsiana rano ao Fianarantsoa

Ny alatsinainy teo no nambaran’ny teo amin’ny orinasa Jirama fa vita zato isan-jato ny foto-drafitr’asa famokarana rano vaovao hamatsiana rano ao Fianarantsoa. Nanomboka koa ny fampitaovana izany foto-drafitr’asa izany. Hamokatra hatramin’ny 3 400 metatra tora-telo isan’andro Ity toerana ity.

Raha tsiahivina dia 9 000 m3 isan’andro ny rano sitrahan’ny mponina ao an-toerana ankehitriny, ary hita fa tsy ampy ny mponina izany. Ny rano izay anisan’ny zo fototra tokony sitrahan’ny olona rehetra ka tsy tokony atao ambanin-javatra.

Nanambara ny Jirama fa hanafaka ny fahasahiranana momba ny rano ho an’ny mponina Fianarantsoa ny nametrahana ity foto-drafitr’asa ity. Hoy i Serge, mponina ao amin’ny renivohitr’i Fianarantsoa : « ilainay ny fikojakojana ny foto-drafitr’asa efa misy sy ny foto-drafitrasa vaovao mba hampaharitra ny famatsiana rano anay ».

Tsy tokony miandry ny fitarainana maro samihafa ny orinasa toy itony vao manday andraikitra, tsy voatery hamorona vaovao foana koa fa azo atao ihany koa ny fanamboarana sy fanoloana ireo nahitàna fahasimbana mandrapahatvitan’ny fotodrafitr’asa vaovao.

Aurélien Tsitarihina

Laisser un commentaire