ActualitésTsidika

Ambohimarina : Betsaka ireo mandraharaha amin’ny tontolon’ny voninkazo

Isan’ny fidiram-bolan’ny mponina ao Ambohimarina, toerana tsy lavitra an’Ambohimangakely, ny fivarotana voninkazo. Mety ho voninkazo efa amin’ny tahony io na ilay izy mbola hambolena iny miaraka amin’ny « pot ». »Mahavelona aloha hatreto ny fambolena voninakazo ary azo lazaina fa manana ny ampy ihany izahay. Rehefa hay ny manaja ny asa dia manaja antsika ho azy ny asa, mila trandrahina sy hatsaraina tsikelikely ny asa ary mila fanovana ihany koa » hoy i Alisoa, mpivarotra voninkazo eny Ambohimangakely. « Betsaka ny olona tia voninkazo ary misy mahasahy lafo mihitsy izy ireny rehefa tsara sy voakarakara ny voninkazo iray toy ny anthirium izay mahatratra aman’hetsiny ny vidin’ny anakiray anaty “pot” raha toa ka 60 000 Ar ny zanany » hoy i Bernard, mpamboly voninkazo.Azo antsoina ho fandraharahana ny fambolena sy fivarotana voninkazo ary nisy famoronana ihany koa tao mba hisintomana ny sain’ny mpividy hany ka sady manome fahafinaretna ny maso no hahazahoana vola. « Ny voninkazo no nisy teo an-tokontany ary teo no nandeha ny eritreritra hoe inona no azoko atao amin’ireto ? Nokolokoloina ilay izy ary no hatsaraina hany ka namoaka endrika nahafinaritra ny trano sy ny tanàna, teo no nipoitra ny hevitra fa mety raha io no ho amidy, tsy kivy tany am-boalohany na tsy betsaka aza ny mpanjifa fa miakatra sy fantatr’olona tsikelikely » hoy i Lanto, mponina ao Ambohimarina, mandraharaha amin’ny resaka voninkazo.Tsy misy zavatra avo lenta izany fa isika ihany no manandratra azy ho avo lenta tsikelikely. Miainga amin’ny iray sy roa izay vao arivo sy aman’aliny ary tsy hita isa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire