ActualitésTatitra

Pays-Bas : Rikkie Kolle, « transgenre » voalohany lany Miss tao an-toerana

Teraka tao amin’ny tanànan’i Breda ao Pays-Bas i Rikkie Kolle. Vehivavy « transgenre » ny tenany, izany hoe teraka lehilahy izy saingy nanova fananahana ho lasa vehivavy. 22 taona i Rikkie Kolle ary lany Miss tao Pays-Bas ny faran’ny herinandro teo. Mametraka azy eo amin’ny toeran’ny vehivavy « transgenre » lany Miss voalohany ao Pays-Bas izany.

Marihana fa tsy vaovao amin’ny lapihazo ao amin’ny fireneny i Rikkie Kolle. Tamin’ny taona 2018 dia efa nandray anjara tamin’ny « Holland Next Top Model » tao an-toerana izy ary tonga hatrany amin’ny dingana famaranana. Nilaza kosa ny tenany nandritra ny fanadraisam-pitenenany fa maniry ny ho lasa feo sy modely ho an’ny olona hafa tahaka azy izy.

Noho ny fandreseny kosa dia mandray anjara amin’ny fifaninanana Miss Univers ho atao ao Salvador izy. I Rikkie Kolle no « transgenre » faharoa handray anjara amin’io fifaninana io aorian’ny Miss Espagne, Angela Ponce izay mpifaninana tamin’ny Miss Univers 2018.

Laisser un commentaire