ActualitésTatitra

Seychelles : Firenena voalohany aty Afrique hampiantrano ny fiadiana ho tompondaka ny beach soccer

Firenena voalohany hikarakara ny fiadiana ho tompondaka ny beach soccer aty Afrique i Seychelles. Hotontosaina ny taona 2025 izao izany fifaninana izany ary marihana fa ny FIFA no nanendry ny vondronosy ho mpikarakara io andiany faha-13 io. Raha tsiahivina dia tamin’ny taona 2005 tao Brésil no niandohan’io fifaninana io.

 Manoloana izany koa dia hanangana kianja vaovao ahafahana mandray ny lalao i Seychelles. Ao amin’ny nosy Mahé no hametrahana izany izay vinavinaina hahazaka mpijery 4000 isa. Ny orinasa Fortem Consulting Engineer ao Afrique du Sud kosa no nosafidian’izy ireo hamolavola sy hanangana io fotodrafitrasa io.

Ho lasa fanazarantena sisa ny kianja ao Roche Caiman rehefa mijoro io kianja vaovao io hoy ny filohan’ny delegasiona. Tsiahivina fa isaky ny roa taona no misy ny fiadiana ho tompondaka ny beach soccer. Ho an’ity taona 2023 ity dia i Dubaï no mampiantrano izany.

Laisser un commentaire