ActualitésTsidika

Faratsiho : Manao ezaka ho fitsinjovana ireo tantsaha ny fitondram-panjakana

Nisy ny tetik’asa vatsin’ankohonana izy notanterahina teny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Omena ireo ankhonana sahirana tsirairay izany, na vola, na fitaovana, na biby fiompy ahafahan’izy ireo miary indray.

Distrika maromaro no nanatanterahana izany ary anisan’ny nisitraka izany i Faratsiho. Rehefa hita fa mihamivoatra hatrany ireo fianakaviana dia tsy mahazo vatsy intsony fa omena fitaovana amin’izay hahafahan’izy ireo manohy ny tetik’asany tsirairay avy. Charcleuse iray, fanondrahana 10 litatra iray, masomboly tsaramaso 3kg, haricot vert 3kg ary voan’ny voatabia 3kg no nozaraina ho an’ireo mpisitraka teo aloha ireo.

« Notolorana fitaovana ho enti-mamokatra ireo ankohonana hivoaka ho tsy mpisitraka ny vatsin’ankohonana ao Faratsiho intsony. Olona miisa 5956 ireto nomena fitaovana ireto hahafahan’izy ireo mivelona sy mihary ary manohy ireo asa nampandraiketin’ny tetik’asa azy ireo », hoy ny tompon’andraikitry ny tetik’asa Vatsin’ankohonana.

Hetsika iray entina hanampiana ireo tantsaha izao hatao izao satria rehefa tapitra ny fifanarahana tamin’ireto tantsaha teo aloha ireto dia mivelatra ho an’ny tantsaha hafa indray ny tetik’asa fa tsy mijanona amin’izao.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire