Fiarovana ny morontsiraka Manakara : Mandroso ny asa fanamboarana
Mitohy ary mandroso ny asa fanamboarana ho fiarovana ny ny morontsiraka Manakara izay tetikasa ao anatin’ilay Tetikasa fampifanarahana ny faritra amoron-tsiraka na “Projet d’Adaptation des Zones côtières (PAZC).
Tetikasa napetraky ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra amin’ny alalan’ny birao nasionaly misahana momban’ny fiovaovan’ny toetrandro izao tanterahina izao. Izany no napetraka mba hampihenana ny fiantraikany ny fiovaovan’ny toetrandro toy ny fitomboan’ny fiakaran’ny rano sy ny fiovaovan’ny toetrandro amin’iny morontsiraka iny. Ny tananan’i Manakara dia misedra mivantana ireo loza voajanahary mahery vaika aterakin’ny toetr’andro ratsy toy ny fiakaran’ny ranomasina sy ny onjan-rano, ny oram-be mikija sy ny rivo-mahery. Izany rehetra izany anefa miteraka fahasimbana goavana hoan’ny tanàna sy hoan’ny mponina ao an-toerana. Ny fikarohana ny fomba hiarovana ny morontsiraka sy ny fanajariana azy ho lasa “béton” no isan’izany asa fanamboarana izany. Arak’izany, ny fanamboarana fefiloha amoron-dranomasina sy rindrina hiarovana ny morontsiraka ho an’ny tanan’Ampilao ay ny fanamboarana rindrina amin’ny simenitra mateza (béton) hoan’ny tananan’Manakara. Tsara ho marihina fa ny 45% amin’ny asa fanamboarana izany rindrina béton izany hoan’ny tananan’i Manakara no efa vita tamin’ny volana jona teo.
Sitraka Rajaonarivony
