ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nanatanteraka fivoriana niarahana tamin’ny fikambanan’ny mpitatitra entana ny kaominina

Nisy ny fivoriana niarahan’ny kaominina Ambohimangakely tamin’ireo fikambanan’ny mpitatitra entana, fasika, vato, « fourgon » ary ny « baché » ao an-toerana, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nodinihina nandritra izany ny mahakasika ny fanarahan-dalàna eo amin’ny droit de stationnement sy ny patente ho an’ireo fiara ireo, raha ny voalaza.

« Hisy ny lamin’asa vaovao mahakasika ny fandaminana sy fametrahana toeram-piantsonana hisy ireo fiara voakasika ireo tsirairay avy mba hizorana amin’ny fanajana ny filaminana sy ny fenitra ara-dalàna » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Tapaka nandritra ny fivoriana ihany koa, fa hisy ny fitsirihana eny ifotony izay atao entina hanamarinana ireo izay tena mpikambana sy tena mpitatitra araka ny fangatahan’ireo mpitatitra » hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny sehatra tena mila fanaraha-maso sy fandraisana fepetra hentitra tokoa ny momba ireo fiara mpitatitra entana ao an-toerana ireo noho ny tsy fanarahan-dalàna izay efa nampitaraina ny maro hatramin’izay. Ho enjana moa ny sazy ho an’ireo tratra tsy manara-dalàna, araka ny voalaza hatrany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire