ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Vehivavy iray nitsatoka antsy ny olontiany

Miatrika ny fitsaran’i Royaume-Uni noho ny famonoana an’i Frankie Fitzgerald i Shaye Groves, 27 taona amin’izao fotoana. Raha tsiahivina dia tao amin’ny trano fonenan’io vehivavy io, tao Havant, Hampshire no niseho izany tranga famonoany ny olotiany izany ny 17 jolay 2022 teo.

Rehefa rendrika ny Frankie Fitzgerald dia nosavain’i Shaye Groves ny findainy ary hitany tao anatin’izany fa niresaka tamin’ny niresaka tamin’ny vehivavy hafa io olontiany io. Tezitra mafy izy manoloana izany ka notsatohany ny antsy tao amin’ny vavany i Franckie Fitzgerald. Rehefa nihetsika izy dia notsatohany ny antsy in-22 teo amin’ny tendany ka maty ts tsa-drano. Naka horonantsary azy nanadio ny ràn’i Franckie Fitzgerald kosa i Shaye Groves taorian’ny tranga.

Maharitra 4 herinandro ny fitsarana io vehivavy nahavanon-doza io ary mety higadra mandrapahafaty noho izany heloka nataony izany izy raha ny fanazavana.

Laisser un commentaire