ActualitésTsidika

Mandinika ny fahazoan’ny vahiny mizaka ny zom-pirenena Malagasy ny solombavam-bahoaka

Tsy mbola misy ny didy nivoaka ny amin’ny fahazoan’ireo vahiny sasany mizaka ny zom-pirenena Malagasy hatramin’izao anefa efa maro ireo tany Malagasy lasibatra lasan’ireo vahiny amin’ny fomba tsy mazava. Manomboka, hitsimbadika ary handalo dingana lehibe ny sehatry ny politika eto amin’ny tany sy ny firenena Malagasy. Ho tanterahina anio alatsinainy 31 mai ny fivoriana eo anivon’ny antenimieram-pirenena ary anisan’ny volavolan-dalàna mikasika ny fizakan’ireo vahiny ny zom-pirenena Malagasy. Ny solombavambahoaka IRD voafidy tao Betafo no nanolotra ity volavolan-dalàna ity ary ahiana ny fahaliany avy hatrany mandritra ny fivoriana izay atao. Misy amin’ireo vahiny mipetraka eto Madagasikara noho izany no afaka hisitraka sy hizaka ny zom-pirenena Malagasy raha lany ity lalàna vaovao ity. Miteraka resa-be amin’ireo vahoaka ity volavolan-dalàna ity ny amin’ny mety ho vokany eto anivon’ny tany sy ny firenena na tsy eo amin’ny resaka politika fotsiny aza. Anisany tena mampanahy ireo vahoaka ny resaka any izay efa maro no lasan’ny vahiny hatreto.

Ally Herisonanahary

Laisser un commentaire