Venezuela : Miandry vaksiny 5 tapitrisa avy amin’ny “initiative Covax” amin’ny jona
Nanambara ny filoha ao Venezuela Nicolas Madura ny alahady 30 mai hariva teo fa nampanantena fatrana vaksiny 5 tapitrisa azy ireo ny “initiative Covax” ary ho avy ny volana jona izao izany. Nilaza ihany koa izy fa nametraka vola mitentina 120 tapitrisa dolara any amin’ny teti-bolan’ny Covax. Efa nanambara ny Organisation panaméricaine ny 12 mai lasa teo fa afaka mahazo ny vaksiny Johnson & Johnson i Venezuela miankina amin’ny fahafahan’izy ireo fa ny Caracas kosa anefa nanambara fa tsy manaiky ny avy amin’ny AstraZeneca izy. Maherin’ny 230 000 vaovao hita any amin’ity firenena ahitana mponina manodidina ny 30 tapitrisa ity ary 2 600 kosa ireo maty. Nilaza kosa ireo ONG sasany fa latsak’ireo ny isa anefa ny hopitaly sy ny toeram-pitsaboana aza efa feno. Namoaka fanambarana ny amin’ny isian’ny dingana faharoa amin’ny fanaovam-baksiny ireo manam-pahefana izay hikendrena manokana ireo olona efa nahazo taona. 22 tapitrisa olona vita vaksiny no tanjona tratrarina hatramin’ny desambra hoy ny ministry ny fahasalamana Carlos Alvarado tany amin’ny fahitalavim-panjakana. Ny volana febroary lasa teo ny dingana voalohany tamin’ny fanaovam-baksiny tao Venezuela izay nampiasana ilay vaksiny Russe Spoutnik sy ilay Chinois Sinopharm.
