Corée du Sud : Hampivelatra toerana iray ahafahana mandefa “fusées” any an’habakabaka sy any anaty ranomasina i Séoul
Mivonona hamolavola sy hampivelatra “plateforme” iray ahafahana mandefa “fusées” ny tafika Sud-Coréens taorian’ny fanalana ireofepetra sakana napetraky ny americaines mikasika ny “missiles” nandritra ny fihaonana farany teo amin’i Corée du Sud i Etats-Unis. Araka ny angom-baovao nataon’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena ny maraina teo yamin’ny kimitin’ny parlemanta, efa manao izay fomba rehetra ahatomombana ny fitifirana amin’ny “fusée” avy amin’ny fiaramanidina avo sy ny sambo amin’ireo ranomasina lavitra ny miaramila manam-pahefana. Mba hahamora ny fandefasana ireo mpandeha any amin’ny “espace” ny safidy voalohany fa mba hamaritana tsara ny fandehan’ny tifitra kosa ny safidy faharoa. Ankoatra izay, mikendry ny hanampy sy hampiroborobo ny rafitra fiarovana ao aminy ny ministeran’ny fiarovam-pirenena miankina amin’ny fahaizan’ireo miaramila. Izany rehetra izany ao anatin’ny fanajana ny rafitra iraisam-pirenena momba ny fampiasana fitaovana nokleary. Niara-niasa akaiky tamin’i Etats-Unis i Corée du Sud teo amin’ny sehatry an’habakabaka arak any tatitra nataony, indrindra tamin’ny alalan’ny “Groupe de travail sur la cooperation spatiale” (SCWG) nanomboka ny taona 2013
