ActualitésTsidika

Fiaferana: Jiolahy miisa folo nanafika toka-trano iray

Jiolahy miisa folo no nanafika tokatrano iray tao amin’ny kaominina Fiaferana, ny herinandro lasa teo. Nirongo fitaovam-piadiana ireo jiolahy, ary nanolana renim-pianakaviana tao amin’ilay toka-trano, araka ny voalaza.

“Manodidina ny tamin’ny 11ora alin’ny 5 oktobra, nihiditra tao amin’ny toka-trano ireo andian-jiolahy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana. Dimy mianaka no iray trano ka zazavavy kely 12taona no nokaisan’ireo olon-dratsy hanaparana ny filan-dratsiny. Manoloana izany anefa dia nangataka ireo olon-dratsy ny renim-pianakaviana hamela ny zanany ka hisolo ny toerany” hoy ireo manodidina ny niharan’ny fanafihana.

“Mbola ao anatin’ny tahotra tanteraka ireo fianakaviana. Etsy andanin’izay, efa noraisin’ireo zandary avy ao an-toerana ny momba ity raharaha ity. Nandritra ny fanafihana, ny iray tamin’ireo olon-dratsy no nisaro-tava, nanana basy ihany koa ireto farany” hoy ny avy amin’ny zandarimaria ao an-toerana.

Nandritra izany fanafihana izany ihany koa, lasan’ireo olon-dratsy avokoa ireo fiaravaka volafotsy sy volamena tao amin’ity tokatrano ity, niaraka tamin’ny solosaina miisa roa, tablette ary ny fahitalavitra. Efa ao anatin’ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy moa ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana.

Manitra R.

Laisser un commentaire