Mandritsara : Mpampianatra FRAM miisa 31 no noraisina mpiasam-panjakana
Tao amin’ny tranom-pokonolona vaovao Mandritsara no nandraisana ireo mpampianatra FRAM ho mpiasam-panjakana. Miisa 31 mianadahy izy ireo, izay marihinina fa mpampianatra efa be taona sy ela nietezana teo amin’ny sehatrin’ny fampitana fampianarana.
Toy izao manaraka ny fitsinjaran’izy ireo, mpampianatra miisa roa miandraikitra ny eo amin’ny garabola, 28 eo amin’ny sekoly ambaratonga voalohany ary iray eo amin’ny sekoly ambaratonga faharoa. Hiasa avy hatrany amin’ny andraikitra napetraka taminy izay ireo aorian’ny fombafomba natao hampidirana azy ho isan’ireo mpiasam-panjakana. Tsara ny manamarika fa misy amin’ireo mpampianatra no efa niasa nadritra ny roapolo taona mahery.
Etsy andaniny, mbola maro ireo sekolim-panjakana misedra olana amin’ny fampidirana ireo mpampiantra ho mpiasam-panjakana, hany ka lasa vesatra ho an’ny ray aman-drenin’ny mpianatra izy ireny. Andrasana noho izany ny hanafaingana izany, ho fanamaivanana ny fahasahiranana izay mianjady amin’ny vahoaka Malagasy. « Misaotra ny mpitondra ny fanjakana izay tarihin’ny Filoham-pirenena izahay, vonona izahay hanatanteraka ny adidy napetraka taminay. Fitiavana ny asa indraiketana no nahatonga ny izany faharetana izany » hoy i Nivo, mpampianatra.
« Andrasana ny hisian’ny hetsika toy izao manerana ny Nosy, tsy ekena ny mety hisian’ny tombo sy ala ny fahazahoana tombon-tsoa fa tokony samy hisitraka izany avokoa ny rehetra » hoy i Jean, mpampianatra FRAM. « Mendrika ho an’ireo mpampianatra izay naharitra ny asa nandritra ny roapolo taona mahery izao fandraisana azy ho mpiasam-panjakana izao. Inoana fa hampitombo hatrany ny ezaka sy fahazotoan’izy izao hetsika izao » hoy ny tompon’andraikitra. « Miroso tsikelikely amin’ny fampanarahan-dàlana ny eo amin’ny Minisitera amin’izao fotoana, sokajiana ho isan’ny mari-pankasitrahana ho an’ireo olona tsy nikely soroka tamin’ny fanatanteahina ny asa izao hetsika izao » hoy i Minosoa, tompon’andraikitra eo amin’ny Minisiteran’ny fampiaram-panjakana. Anisan’ny fitaovana lehibe enti-miady amin’ny fahantran’ny firenena ny fampiroboroboana ny fampianarana. Miantoka ny fiharenan’ny firenena indray noho izany ny fanajana ny asa ataon’ireo mpanabe, izay fototra hijoroan’ny fampianarana. Faharetana sy fanajana ny asa no antoka lehibe hitondra amin’ny fahombiazana. Miroso miandala amin’ny fanatanterahana ny velirano faha efatra, « Fanabehazana sy kolotsaina ho an’ny rehetra », ihany koa ny eo amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ankehitriny. Azo antoka ve mizotra amin’ny ara-dàlana izao fampidirana ho mpiasam-panjakana izao ?
Haingotiana Andriamihaja
