Faritra Sofia : « Délégués » telo no naiditra am-ponja vonjimaika voarohirohy amin’ny halatra omby
Omaly Alakamisy 7oktobra2021 no naiditra am-ponja vonjimaika ireto « délégués » miisa telo avy ao amin’ny Faritra SOFIA rehefa natolotra ny Fitsarana ny Alarobia lasa teo. Voaroiroy amin’ny resaka fanararaotana fahefana, famotsiana omby ary halatra no antony nanenjehina azy ireto.Ny volana Septambra lasa teo iny tokoa mantsy dia nisy ny fanaraha-maso nataon’ny Zandarimariam-pirenena tao amin’ny tsenan’omby tao Andrevorevo, Distrika Analalava, Faritra Boeny. Lehilahy iray 35taona no nametraka fitoriana fa misy mampiasa ny anarany amin’ny resaka hosoka; ka izany no nanaitra ireo Zandary ary nahatonga azy ireo hanao ny fanadiadiana lalina mba hahafantarana izay zava-nitranga sy zava- misy marina. Ny mponina tao an-toerana dia efa nanary toky fa tsy hahita vaovao momba ity raharaha ity satria efa maro ny tranga toy ity teo aloha kanefa tsy naharenesam-baovao hatrany izany.Hoy i Mondine naneho ny heviny : « Aleo ho faizina avokoa na mpitondra ambony eto amin’ny Faritra aza satria ny lalàna natao hiarovana ny aim-bahoaka ». « Amiko dia sarintsary ihany izao fitanana am-ponja vonjimaika izao, mbola manjaka raha ny kolikoly eto amintsika » hoy i Faniry. Nanamafy anefa ny Governoran’ny Faritra Sofia : « Tsy misy ambonin’ny lalàna fa mendrika hijinja ny vokatry ny asany avokoa ny tsirairay ; tsy misy ho afa-bela ireo mpiray tsikombakomba amin’ny halatra omby ato amin’ny Faritra ».Nanome toky ny Zandary fa vonona hatrany izy ireo ny hanatanteraka ny asany, ka raha misy tsy fahatomombanana na fanahiana dia tokony miantso azy ireo; amin’izay mantsy dia mandry fahalemana ny Faritra. Ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandary ihany koa dia nanome toromarika ny amin’ny ady famotsiana omby halatra sy fanafoanana ny fangalarana omby. Manantena ny vahoaka fa hilamina sy hanjaka indray ny fandriampahalemana ao amin’izy ireo.
Seheno Randrianirina
