Etats-Unis : Mety ho an’ny ankizy 5 hatramin’ny 11 taona ny vaksiny Pfizer
Nanambara ireo komity mpikaroka ny talata teo fa mety ho an’ny ankizy 5 hatramin’ny 11 taona ny vaksiny Pfizer. Matetika heken’ny FDA na ny « Agence américaine des medicaments » ny fanam-pahan-kevitra raisin’io vondrona io ka hatomboka amin’ny volana novambra izao ny fanaom-baksiny ny ankizy amin’io salan-taona io rehefa hamafisin’izy ireo ny hevitra.Mampivondrona siantifika, « immunologue », manam-pahaizana amin’ny fitsaboana zaza sy areti-mifindra io komity io. Nanazava izy ireo fa anisany tena lasibatry ny valan’aretina io salan-taona io, 1,9 tapitrisa tamin’ny zaza 5 hatramin’ny 11 no nitondra ny tsimok’aretina raha ny fanazavana. An-jatony ihany koa no efa maty noho izany ary 8 300 ny tranga misy fahasarotana.Tsy mihatra amin’ny ankahamaroan’io salan-taona io ny « myocardite », vokatr’ity vaksiny ity (effet secondaire). Tsy tratran’izany ireo zaza 3 000 efa nanao io vaksiny Pfizer io raha ny fanazavan’i William Gruber tompon’andraikitry ny Pfizer saingy ferena ny hisian’izany amina ankizy sasan-tsasany.
