ActualitésTsidika

Royaume-Uni : Tsy hanatrika ny COP26 ny mpanjaka vavy Elizabeth II

Hanomboka ny 1 hatramin’ny 12 novambra izao ny COP26 na ny « Conférence des parties ». Fihaonambe momba ny fiovan’ny toetr’andro izay andraisan’ireo firenena nanasonia ny CCNUCC anjara (Convention-cadre des Nations unies sur les changements climatiques). Ao Glasgow ao Ecosse no hotontosaina ity andiany faha enina amby roapolo 2021 ity.Tsy afaka ny hanatrika io hetsika io kosa ny mpanjaka vavy Elizabeth II noho ny antony ara-pahasalamana. Marihina fa i Royaume-Uni sy Italie no mikarakara ny hetsika. Te hanatrika io COP26 io izy raha ny fanazavana satria manahy amin’ny fihetsikana mpitondra firenena sasan-tsasany.

Laisser un commentaire