Ankadikely Ilafy : Tontosa soa aman-tsara ny fivoriam-pokonolona natao tao Andranovelona
Nisy ny fivoriam-pokonolona izay natao tao amin’ny fokontany Andranovelona, kaominina Ankadikely Ilafy, tamin’ny Sabotsy 10 Desambra lasa teo. Tonga maro ireo mponina nandritra izay, ary maro ireo teboka voaresaka nandritra ny fivoriana, indrindra ny mahakasika ny fananganana ny biraom-pokontany ao an-toerana.
« Nandritra ny fivoriam-pokonolona teo moa no niresahana ny mahakasika ny fanatsarana ny lafin’ny fandriam-pahalemana eto anivon’ny fokontany. Tao ihany koa ny fampahafantarana ireo mpikambana izay miasa eto amin’ny fokontany sy ireo mpikambana mamoha vola ny fananganana ny biraom-pokontany eto an-toerana » hoy ireo tompon’andraikitra ao an-toerana.
« Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fanamafisana ny mahakasika ireo latsakemboka isa-patana sy ny adidy izay tokony atao eto anivon’ny fokontany. Ary indrindra, nisy ny dinika mahakasika ny fitadiavam-bola amin’ny fananganana ny biraom-pokontany » hoy hatrany ireo tompon’andraikitra.
Zava-dehibe tokoa ny fanatanterahana ny fivoriambe-pokonolona tahaka izao, ahafahana mampahafantatra sy mifampiresaka mivantana amin’ireo mponina eny ifotony ny zava-misy, hisorohana ny olana isan-karazany.
Manitra Ramanantsoa
