ActualitésCultureDépêches

INFLUENCEURS MALAGASY MIISA 7 HIAZO AN’I ROSIA

𝗡𝗶𝗮𝗶𝗻𝗴𝗮 𝘁𝗲𝘁𝗼 Madagasikara androany ireo influenceurs malagasy miisa 7 hiazo an’i Rosia. Hitoetra mandritra ny 10 andro izy ireo, ary isan’izany i Antso Bomaka, Dezy Kely La Page, Mba Lait, My Rakotoarivony, Rakotoarivony Miandriray Fanantenana, Abi Abriane ary Regina R., izay voafidy handray anjara amin’ity iraka fifanakalozana ity.

Ity hetsika ity dia ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Rosia, tohanan’ny fikambanana African Initiative. Ireo delegasiona ireo dia hanana andraikitra amin’ny fampitana sy fizarana ireo hetsika mifandraika amin’ny fankalazana ny 09 Mey any Rosia, daty manan-danja ho fahatsiarovana ny fandresena tamin’i Alemaina sy ny fiafaran’ny Ady Lehibe Faharoa, izay ankalazaina amin’ny lanonana ara-panjakana sy ara-kolontsaina maro.

Laisser un commentaire