ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nisy ny fanentanana amin’ny tanamaron’ny fandriampahalemana tao amin’ny fokontany Ambohimahatsinjo

Tonga tao amin’ny fokontany Ambohimahatsinjo, ireo avy amin’ny zandarimaria, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, nanatanteraka fanentanana sy fampahafantarana ny fokonolona mahakasika ny tanamaron’ny fandriam-pahalemana. Hita ho liana ary vonona hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminina ireo fokonolona nandritra izany, araka ny voalaza.

« Hita fa vonona tanteraka tokoa ireto fokonolona eto an-toerana amin’ny fiaraha-mientana ho fiadiana amin’ny asan-jiolahy aty amin’ny faritra. Vonona hiara-hisalahy amin’ny resaka fandriampahalemana satria ny fiaraha-mientana no antoky ny fandriampahalemana araka ny nampahafantarana azy ireo » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Anisan’ny teboka nampahafantarana ny mponina ny mahakasika ireofomba atao sy enti-miaina manoloana ny asa ratsy. Ao anatin’izany ny tsy tokony hiray tsikombakomba manafina olon-dratsy, tokony ho sahy mitoroka, tsy tokony hitahiry fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana, ny mamono biby tsy nampilaza mpitandro filaminana, ny fanamafisana ny fiambenana ary ny fampiasana ny bokim-bahiny » hoy hatrany ny fanazavana.

Zava-dehibe ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-mientana eo amin’ny mponina amin’ny fampanjakana ny fandriam-pahalemana. Tsy mitsahatra manentana ny mponina ihany koa ireo zandary ao anatin’izany. Ny zandarimaria Ambohimanambola moa dia afaka antsoina amin’ny laharan-tariby 0342400278 na 0344378708.

Laisser un commentaire