ActualitésTsidika

Faritra Androy : Nivory manoloana ny fiarovana ny zon’ny ankizy sy ny varira ireo tompon’andraikitra

Nirongatra ny hala-jaza sy ny fakana an-keriny olona varira tao Androy tao ho ao. Manoloana izany dia niara-nikaondoha ireo Ben’ny tananan’ny kaominina 21 mandrafitra ny distrikan’Ambovombe Androy nametraka paik’ady iraisana amin’ny fiarovana ny zon’ireo ankizy ireo sy ho fametrahana tambazotra miady amin’ny fangalarana olona varira.

« Na ny biby aza raha misy mangalatra dia mametraka paik’ady isika hiadiana amin’izany, vao maika fa olombelona » hoy ny Goverinoran’ny Faritra Dr Soja Tsimandilatse Lahimaro. Nanamafy ihany koa ny Prefen’Ambovombe fa izany varira izany dia olona tahaka ny olona rehetra ka tsy azo ekena velively ny fangalarana azy nohon’ny fitiavan-karena sy fanakorontanana fiaraha-monina ».

Ny fitaleavam-paritry ny tanora sy fanatanjahan-tena no namolavola ny tetik’asa ny UNICEF, nitantsoroka ara-teknika sy ara-bola amin’izany. Izy ireo dia mpiara-miombon’antoka amin’ny fanohanana ny asa fampandrosoana marolafy (fanabeazana, tsy fanjaria-tsakafo, zon’ny ankizy, rano,…) ao amin’ny faritra.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire