ActualitésTsidika

Nisy fanomanana be tao ambadik’iny fandresena iny

Nisy ny ezaka lehibe samy nataon’ny mpilalao tsirairay, ary indrindra ny mpanazatra sy ny Kaominina Ambohimangakely. Tsy mora ny nihatrika ny Ekipan’Alasora sy Sabotsy Namehana, izay isan’ireo sangany eto Avaradrano ihany koa raha ny baolina kitra no resahina. Tena ilaina indrindra ao anaty ekipa iray tokoa ny mpanazatra, mba ahafahana mijery ireo fanarenana sy ny mety ary ireo tokony ahitsy.

Nanohana ny ekipany ny kaominina tsirairay indrindra ny tao Ambohimangakely. Niantohana avokoa ny fitaterana, ny sakafo, ny akanjo, ny kiraro ary izay rehetra mety ilaina raha ho an’ny kaominina Ambohimangakely manokana. Nanomboka hatrany ampanombohan’ny lalao mihitsy no nanaovana izany. Vao maraina tamin’ny 7 sasany dia efa vory lanina tao amin’ny kaominina ny mpilalao rehetra tao Ambohimangakely raha toa ka tamin’ny 2 ny lalao famaranana tany Ambohidratrimo. Tamin’ny 10 ora dia efa tonga teny amin’ny kianja nilalaovana ny ekipa. Vao niala teo amin’ny kaominina ireo mpilalao dia nomena toromarika sy izay tsara ho fantatra rehetra indrindra manoloana ny ekipan’Alasora. Efa narahin’ny mpanazatra akaiky ny filalaovan’ny mpifanandrina aminy.

Tena nilain’ny mpilalao tokoa ny fanomanana ara-moraly. Natoro avokoa ny zavatra mety hitranga sy ny hatao manoloana izany. Marihina fa tsy nisy lalao nandritra iny fifaninana iny ka hoe tsy nandresy ny kaominina Alasora. Tsy nataon’ny ekipa tetsy an-kilany ho tahotra sy sakana tsy hibatana ny fandresena anefa izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire