ActualitésTatitra

14 Novambra : Andro maneran-tany ho an’ny fitsaboana ny diabeta

Ny andro maneran-tany ho an’ny fitsaboana ny diabeta dia hetsika fanentanana fototra ho an’ny « diabète Mellitus », ankalazaina isakin’ny 14 novambra. Tamin’ny taona 1991 no nisian’io fankalazana io voalohany ary ny FID (Fédération internationale du diabète) sy ny OMS no nametraka izany ho valin’ny firongatrin’ny diabeta haingana eran’izao tontolo izao.

Mifantoka amin’ny lohahevitra mifandray amin’ny diabeta ity andro ity. Ho an’ity taona ity dia « Accès aux soins du diabète « no lohahevitra hobanjinina. Misy karazany roa ny diabeta, ny « type 2 » izay azo sorohana sy azo tsaboina saingy mirongatra ary maro an’isas eran’izoa tontolo izao. Diabeta « type 1 » kosa ny faharoa izay tsy azo sorohana ary fehezina amin’ny tsindrona « insuline ».

Ny daty 14 novambra kosa dia manamarika ny daty nahaterahan’i Frederick Banting iza niara niasa tamin’i Charles Best sy John Macleod nahita ny «insuline » tamin’ny taona 1922.

Laisser un commentaire