ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Hafana ny lalao famaranana baolina kitra ao amin’ny kianja Herisetra

Amin’ny alahady ho avy izao no hanatanterahana ny lalao famaranana amin’ny taranja baolina kitra, sokajy senior, ao amin’ny kianja Herisetra, kaominina Sabotsy Namehana. Fotoana lehibe ary samy mahery ireo ekipa mpifanandrina mandritra izany, araka ny voalaza.

« Izy ity moa dia lalao hifandrinan’ny isam-pokontany (inter-fokontany) ka hifandona mandritra ity famaranana ity ny ekipan’ny fokontany Soaniadanana sy ny fokontany Tsarafara. Hisy ny vidim-pidirana amin’io fotoana io mba hanohanana ny taranja eto an-toerana, amin’ny sarany 5000ar » hoy ireo mpikarakara ny lalao.

« Hafana ity lalao baolina kitra ity fa dia entaninana sahady ny mpankafy, ny mponina eto Sabotsy Namehana ho avy hanohana ny ekipa amin’io fotoana io. Lalao famaranana io ka hiady ny lalao » hoy hatrany ireo mpikarakara.

Anisan’ny lalao malaza ary hankafizin’ny mponina ao Sabotsy Namehana ny taranja baolina kitra. Tsy ho diso anjara araka izany izy ireo amin’ity lalao famaranana ity, izay anisan’ny hiady tokoa. Hanomboka amin’ny 02ora moa izany.

 Manitra R.

Laisser un commentaire