Nodinihina ny fanatanterahana ny lalan-kely faharoa tany Ambohimangakely
Notanterahana tany Ambohimangakely ny dinik’asa mahakasika ny fanamboarana lalan-kely izay niarahan’ny fiadidian’ny Kaominina Ambohimangakely sy ny solontenann’y GRET, BRL, orinasa COLAS ary ireo filoham-pokontany voakasiky ny tetik’asa toy ny Fokontany Soamanandrariny, Behitsy, Antanambao, Tsarahasina. Lalana mirefy 3 km 80 no kasaina ho vitaina amin’izany tetik’asa izany.
« Isika mponina rehetra eny amin’ny fokontany voakasiky ny tetik’asa dia tsy hanao volo manoha-randrana fa hiara-hientana sy hanaiky ny fandaminana apetraka mba handavorariana ny asa » hoy ny sefom-pokontany iray. « Tafiditra ao anatin’ny tetik’asa lalan-kely andiany faharoa ity ho atao ity ary hanomboka tsy ho ela ny asa ary mety hisy ny fandaminana sy fahatapahan’ny lalana mandritra ny fotoana tsy voafetra » hoy ny Ben’ny tanànan’Ambohimangakely.
« Asa iombonana ny tahaka izany ka tokony iombonana ihany koa ny fanaovana azy ary iombonana avy eo ny fanajana azy satria samy nialan’ny herim-po » hoy i Felana, mpandinika fiarahamonina monina eny Ambohimangakely. Na lalan-kely tokoa mantsy aza no fiantso azy dia mitondra vokatsoa maro eo amin’ny kaominina ny fahavitany satria isan’ny manala ny fahasahiranan’ny olona.
Antenaina anefa fa tsy hityeraka olana lehibe eo amin’ny mponina ny mety ho fanakorotanana kely mety ho aterany.
Nicole Rafalimananjara
