ActualitésTsidika

Paulo Coehlo : Inona no mety ho vokatry ny fahazarana andavanandro raha mitohy foana ?

Misy amin’ny olona sasany no tsy mba manana fahasahiana rehefa hanao zavatra ka aleon’izy izy mijanona amin’izao. Amin’ny alalan’izany fahasahiana izany anefa no ahitana zavatra maro sady vaovao mety hampandroso anao. Vokatr’izany, hahita fahombiazana ianao raha mandeha amin’ny fahasahiana izay mety hampidi-doza. Ankilany, hahita vokatra ihany koa ireo tsy mba manana izany fahasahiana izany akory.

Ho an’ireo olona malemy ara-toe-tsaina sy mora voarebireby, ireo izay tsy mba manana fahasahiana, vokatra toy ny ahoana no mety ho azon’izy ireo ? Raha ny fantatra mantsy, mety hampidi-kizo ny fahasahiana manao zavatra iray ary izany indrindra no vao maika mampalemy ireo efa malemy. Saingy avy amin’izany ihany no afaka hahitana fahombiazana, hananana traikefa, hangalana lesona raha sanatria lavo. Ho an’ireo olona mametraka ny tenany ho malemy kosa ka tsy mba mety hisedra zavatra iray, inona no ho azony ? Fahalavoana sy fahaverezana tanteraka no hiandry azy ireo amin’izany fahazarana andavanandro izany. Manoloana izany, tsy miheritreritra na inona na inona intsony izy ireo fa toy ny hoe efa niala an-daharahana ka miaina any fa ho any fotsiny.

« Tena efa tsapako be hoe tsy mety le miaina tsy mivaky loha. Tahaka ny hoe tsy misy dikany intsony ny fiainanao, sady tsy misy tanjona no tsy vonon-kiady. Toy ny olona maty izany ny fahatsapako ny tenako » hoy i Faniry, tanora. « Tsy maty izany ianao raha miaina tsy amin’ny tanjona. Izany ary no tena miaina am-pilaminana be, tsy misy teritery » hoy kosa i Tahiry, tanora.

Manipy ny teny any am-pon’ireo mahalala i Paulo Coehlo eto ka milaza hoe : « raha heverinao fa mampidi-doza ilay fahasahiana, andramo ny fahazarana fa mahafaty ». Hiaina tsy amin’ny tanjona izany ve mbola azo lazaina ho olombelona manan-tsaina ihany.

Tokony halala-tsaina fotsiny ny olon-drehetra ka hametraka tanjona eo amin’ny fiainana. Saingy mila tanterahina anefa izany raha tsy izany dia hitovy amin’ireo olona malemy tsy manan-tanjona ihany ianao. Noho izany, mbola azo lazaina ho feno ihany ve ny maha olombelona ny olona iray raha tsy manan-tanjona sy tsy manana heritreritra intsony ny olona iray ? Hanao ahoana ny hoavin’izy ireo ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire