Kolontsaina : Ahemotra amin’ny volana Aprily ny « Mihamy Mada Fashion »
Nahemotra ho amin’ny voalohan’ny volana aprily ny andiany fahatelo amin’ny Mihamy Mada Fashion. Hetsika hampirantiana ireo lamaody eto Madagasikara ny Mihamy Mada Fashion izay fanao isaky ny tapaky ny volana Febroary ao amin’ny kianja Mahamasina.
« Any ho any amin’ny fiandohan’ny volana aprily no hanaovana ny Mihamy Mada Fashion. Mbola tsy tapaka izay tena daty mazava. Eo ampiresahana amin’ireo mpiara-miasa amin’ireo fotodrafitr’asa ampiasaina mandritra ny hetsika izahay » hoy i Razafiarison Francis Alexandre, Tale jeneralin’ny kolontsaina ao amin’ny Ministeran’ny serasera sy ny Kolontsaina, izay mpikarakara ny hetsika. « Ao amin’ny kianjam-panatanjahantena Mahamasina foana no nanaovan any hetsika. Nandray ireo tra-boina noho ny rivo-doza anefa ity kianja ity. Tsy maintsy nahemotra ny hetsika raha saika natao ny 12 hatramin’ny 14 febroary lasa teo » hoy ireo mpikarakara.
« Rétro revistée » no lohahevitra ho amin’ity taona ity. Hisy 40 ireo mpandray anjara ary 20 ireo mpilatro hanome lanja ny tontolon’ny lamaody sy ny famoronana malagasy.
Nicole Rafalimananjara
