Sady Ministra no Praiministra i Ntsay Christian amin’izao
Noraisin’ny Priaministra, Ntsay Christian ny fitantanana ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika nanomboka ny 23 aogositra teo. Tontosa tamin’io andro io ihany koa ny famindram-pitantanana teo amin’ny Ministra teo aloha, Ravokatra Fidiniavo sy ny Priaministra izay sady Ministra vaovao.
« Nampahantra an’i Madagasikara ny fitrandrahana ny harem-pirenena hatramin’izay ka mila fanovana izany manomboka izao » hoy ny Praiministra sady Minisitra mpisolo toerana misahana ny harena an-kibon’ny tany. Tsy nanao ny asany ve izany ireo mpitantana teo aloha ? Ho laharam-pahamehana ny famoahana araka izany ny lalàna mifehy ny fitrandrahana na ny « code minier » hahazoan’i Madagasikara tombony.
Eo ihany koa ny fijerena ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny orinasa mpitandraka. « Ho araky ny Praiminitra ve izao asa rehetra izao ? Tokony ho tsinjaraina ihany ilay fitanatanana ny firenena fa tsy atao tahaka izany » hoy ny sasany.
« Rehefa izy kosa no mahavita mampitombo ny tombontsoa ho azon’i Madagasikara amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany dia inona kosa no maharatsy azy ? » hoy ny hafa. Hentitra tokoa ny Praiministra raha nandray ny fitantanana tamin’izany ary nanolotra vahaolana ho an’ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Mety ho voaarina tokoa ve izany ?
Nicole Rafalimananjara
