ActualitésTsidika

Fanokafana ny CTC-19 Taolagnaro

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fitsaboana sy fandraisana an-tanana ireo marary voan’ny covid-19. Any amin’ny faritra Tolaganaro ny Filoha Andry Rajoelina androany 06 May 2021 ary manatanteraka ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny CTC-19 Tolagnaro. Nahazo fitaovana harifomba mifanaraka amin’ny fitsaboana ireo marary any amin’ny faritra Anosy sy Androy amin’ity toeram-pitsaboana vaovao ity. « Concentrateurs d’oxygènes » miisa 50 sy « bouteilles d’oxygène » maromaro ary fitaovana maro hafa no miasa amin’ity ivon-toeram-pitsaboana mararin’ny Covid-19 ity. Efa amam-polony ireo manaraka fitsaboana ato amin’ity CTC-19 ity amin’izao araka ny nambaran’ny Filoha izay any an-toerana. Nampahatsiahiviny ihany koa fa maimaim-poana avokoa ireo fanafody fitsaboana ho an’ireo voan’ny covid-19. Tsy natao ambaka ny CTC hafa fa handray tambin-karama ireo mpitsabo mandray an-tanana ireo tsy salama. Hahazo « Tohan’aina » avy amin’ny fitondram-panjakana kosa ireo marary mba ho fanohanana azy ireo. Anatin’ny ady amin’ny valan’aretina iombonana hatrany isika izao ary mba hanamorana ny fitsaboana ny fisian’itony CTC itony. 

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire