Talata Volonondry: Niara-nientana ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny kaominina tamin’ny fikoloana ireo zana-kazo
Tonga teny amin’ny kaominina Talata Volonondry ny avy amin’ny ministera misahana ny tontolo iainana sy ny fampandroasoana lovain-jafy, notarihin’ny minisitra Vina Marie Orléa, tamin’ny faran’ny herinandro teo, niara-nientana tamin’ny kaominina amin’ny fikolokoloana sy fikarakarana ireo zana-kazo teny an-toerana.
« Hankasitrahana hatrany ny minisitra sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra amin’ny fanatanterahana ny hetsika tahaka izao. Izany moa no natao dia ny mba ho fitohizan’ny fanatontoloana ka hamerenana an’i Madagasikara ho loko maitso. Eo ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Ny hetsika tahaka izao no tsy tokony atao ambanin-javatra aorian’ny fambolen-kazo. Zava-poana ihany ny fambolena raha tsy misy ny fanaraha-maso sy fikolokoloana izany » hoy i Odile, avy amin’ny fikambanana ao an-toerana.
Nandritra izany moa dia ny fisorohana ny bozaka sy fametrahana ny aro afo amin’ireo zana-kazo vao maniry no natao. Nanontrona izany teny an-toerana ihany ireo tomponandraikitra avy amin’ny distrika sy ireo fikambanam-behivavy tao an-toerana.
Manitra R.
