Mali : Tsy hita ireo manampahefana, miady irery amin’ny mpampihorohoro ireo mponina.
Manangana vondrona kely ireo lehilahy ao Mali mba hiarovan’izy ireo ny tananany amin’ny fanafihana ataon’ny jihadiste. Kilometatra vitsy alohan’ny tsy hidirana ny tanan’I Ningari antsoina hoe Dogon no mijanona ireo vondron-dehilahy ireo. Misarontava, miaraka amin’ny fitaovam-piadiana samihafa. Afeninana ambanin’ny vato ny moto ary miakatra ambony, mahatazana tsara ny manodidina izy ireo mitily sao misy mpampihorohoro mikasa ny hiditra ao amin’ny tanànany. Tsy ahitàna soritry ny mpitandro ny filaminana eny an-toerana na iray aza hoy ny mpanao gazetin’ny “Libération”. Saika “Dozo” na mpizaha nentim-paharazana avy ao amin’ny tananan’I Dogon avokoa ireo vondron-dehilahy miombona hiaro ny tanana’izy ireo ireo. Efa ela hoy izy ireo no tsy nisy mpitandro ny filaminana intsony teo Dogon ka voatery manao izay fomba rehetra hiarovana amin’ny vondrona mpampihorohoro ny mponina any an-toerana. Ny zaza amam-behivavy rehetra no mijanona ao an-tanàna fa ny vatan-dehilahy rehetra kosa no mifandimby miambina isanandro.
