Venezuela : Voaroaka ny masoivohon’ny Union Européenne any an-toerana.
Nanapa-kevitra ny handroaka ny masoivohon’ny Vondrona Eropeana, Isabel Brilhante, any Caracas i Venezuela. Omena 72 ora izy arak’izany handao ny firenena. Io no valin’ny sazy vaovao avy amin’ny Vondrona eropeana, ny alarobia 24 febroary, hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny. Nanasazy mpitantana ambony miisa 19 amin’ny fintantanan’I Nicolas Maduro ny vondrona eropena ny alatsinainy 22 febroary lasa teo. Hanamelohana ireo mpiasa 19 ireo ny fihetsika sy fandraisana andraikitra mahakasika ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna ao Venezuela.
Ankoatr’I Isabel Brilhante, nanasazy an’i Omar Jose Prieto ihany koa ny vondrona eropena. Voakasik’izay ihany koa ny governoran’ny fanjakan’i Zulia, ny komandan’ny tafika Remigio Ceballos Ichaso, ny tompon’andraikitra telo ao amin’ny filankevitra momba ny fifidianana, ao anatin’izany ny filohany Indira Maira Alfonzo Izaguirre, ary koa ny depiote roa. Nanambara tamin’ny volana Janoary ity filohan’ny filankevitra momba ny fifidianana ity fa vonona ny handray fepetra fameperana sokajiana ho tena ilaina izy ireo, manoloana ny fahasimban’ny toe-draharaha tao Venezuela taorian’ny fifidianana mpanao lalàna tamin’ny Desambra 2020. Manameloka ny sazy tsy ara-dalànna nomen’ny vondrona eropeana azy ireo ireto mpiasa 19 voasaringotra ireto. Manatena izy ireo fa hisaintsaina manoloana ny fanapahan-kevitra noraisiny ny eo anivon’ny vondrona eropeana.
