Chine : Ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena’i Hong Kong no lehibe indrindra
Ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena’i Hong Kong na ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena’i Chek Lap Kok dia seranam-piaramanidin’ny fari-pitantanana manokan’i Hong Kong (RAS). Ao amin’ny nosy kely namboarina antsoina hoe » Lantau » no misy azy tokony ho telopolo kilometatra any andrefan’ny renivohitra.
Nisolo ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Kai Tak io seranana amin’ny nosy Lantau io. Ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Kai Tak moa dia hita tao renivohitra. Lasa ivon-tseranana lehiben’ny fitanteran’entana sy fitanteran’olona haingana ary vavahadin’ny fifamezivezena ao Chine sy ao Asie atsinanana sy atsimo Atsinanana io seranana io.
Ny 6 jolay 1998 kosa vao notokanana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena’i Hong Kong. Miasa 24/24 ora izy io ary afaka mitondra entana telo tapitrisa taonina isan-taona. Seranam-piaramanidina 13 nisy mpandeha 71 541 000 isa ihany koa izy tamin’ny taona 2019.
