Avaradrano : Ilaina ny fitsarana mangarahara mikasika ny fananan-tany
Fitarainana miisa 7 isan’andro no mikasika ny olana amin’ny fanaovana asa ao amin’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany eto amin’ny distrika Avaradrano no voarain’ny avy ao amin’ny vaomiera misahana ny fananantany ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Samy mitaraina avokoa na ny olon-tsotra na ny solombavambahoaka na ny ben’ny tanàna manoloana ny fomba fiasan’ireo mpiasa ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny fananan-tany.
« Sady tsy mahay mandray olona no mijery tavan’olona ireo mpiasa. Mitarika ny fahaverezan-tany anefa izany. Tsy ara-drariny ny fomba fiasa eto. Averina matetika izahay kanefa amam-bolana vao mivaly hany ka sahirana mivezivezy. Misy anefa ny orinasa na ny teratany vahiny izay ora vitsy dia mivaly ny azy » hoy ny fitarainana voaray. « Mitaky ny hanesorana ny lehiben’ny sampanana fananatany Avaradrano izahay hisorohana ny ady amin’ny ady tany. Eo ihany ny mba hanaraha-maso tsara ny fomba fiasan’ny mpiasa tsirairay. Mila apetraka ny fitsraana manokana misahana ny fananan-tany mba hisian’ny fitsarana tsy mitanila » hoy i Raholodina Naivo, Filoha vaomieran’ny fananantany ao amin’ny Antenimierampirenena.
Ny olona mahitahita sy manam-bola ihany no mahazo vahana. Ny vahoaka Malagasy dia sady voakitakita no tsy mba mahazo rariny.
Nicole Rafalimananjara
