ActualitésTatitra

Etats-Unis : Teraka ny zanaka fahadimin’i Ewan McGregor

Teraka zanaka lahy kely i Ewan McGregor, Mpilalao horonan-tsary amerikanina 50 taona sy ny olon-tiany, Mary Elisabeth Winstead 36 taona. Nnandritra ny fanodinana ny horonan-tsary mitohy “Fargo” no nihaonan’izy roa ireto.Tsy niteniteny mihitsy izy ireo fa mitondra vohoka i Mary Elisabeth Winstead raha tsy izao teraka izao. Ny zanaka vavimatoa an’i Ewan, Clara McGergor, aza no nilaza ny vaovao mikasika ny zazakely ny alahady 27 iona teo tao anaty “Instagram”. I Clara izay 25 taona zanak’i Ewan sy ny vadiny taloha, Eve Mavrakis, niarahaba an’ny rainy sy i Mary Elisabeth Winstead ny amin’ity zandrin’ny lahy ity tao anaty tambajotra. Efa nisy ny olana teo amin’i Clara sy i Mary Elisabeth Winstead ka naniratsiran’i Clara an’I Mary tamin’ny fahafatarany fa miaraka amin’ny rainy izy. Vavy 4 ny zanak’i Ewan McGregor, ka ity vao teraka ity ny zanaka lahy voalohany ho azy.

Laisser un commentaire