ActualitésTatitra

Israel : Inona no atao hoe « conflit israélo-palestinien » ?

Fifandiran’ny Israeliaina sy ny Palestiniana amin’ny Proche Orient ity fifandonana ity. Firenena roa no mifandona ao anatin’izany dia ny nasionalista jiosy na Zionaisma sy ny nasionalista arabo palestinianina. Tena matanjaka ao anatin’ity fifandonana ity ny ara-pinoana. Antony maha zava-dehibe ny faritra hiadivan’izy ireo izany, indrindra moa i Jerosalema, noho ireo fivavahana telo “monothéistes” na fivavahana amina Andriamanitra tokany. Eo ihany koa ny famaritana an’i Israel ho fanjakana jiosy amin’iny maha maro jiosy azy raha hoharina amin’ireo Palestiniana islamo.Efa hatrany amin’ny fe-potoana nitondran’ny Britanika no nipetraka ity fifanoherana eo amin’ny arabo amin’ny Zionaisma ity, tamin’ny alalan’ny fakomiana sy ady ary tolona tamin’ny 1936 sy 1939. Tao aorian’ny ady lehibe faharoa kosa no nikomy ny jiosy. Rehefa tsy voafehin’ny Britanika intsony izany dia nafindrany notantanan’ny Firenena Mikambana izay nandray fanampahan-kevitra nitarika ady tao Palestina, ka tonga hatrany amin’ny ady israélo-arabe voalohany.

Laisser un commentaire