ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Hanolotra fampianarana maimaim-poana ny kaominina

Hanolotra fampianarana maimaim-poana ho an’ireo mpanala ny fanadinana ara-panjakana ny ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Ireo mpanala ny fanadinana CEPE sy ny BEPC no hisantatra izany araka ny voalaza.

« Efa nivoaka ny fandaharam-potoana ho an’ny fampianarana maimaim-poana izay hatolotry ny kaominina. Ny sabotsy 20 sy 27 Mey izao no andro fianarana ho an’ny mpanala CEPE raha ny 03 sy 10 Jona kosa ny mpianatra mpanala ny BEPC » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Zava-dehibe ny fanampiana tosika ny mpianatra sy fanohanana azy ireo amin’ny fiatrehana ny fanadinana ara-panjakana. Ilaina ihany koa izany mba hahafahana mampiakatra ny mari-pahaizana mba ho mendrika azy ireo » hoy i Chantal, mpampianatra.

Eny amin’ny EPP Soamanandrariny, Antanambao, Antanetibe Ikianja moa no toerana hianaran’ireo mpianatra taona fahadimy, raha eny amin’ny CEG Soamanandrariny, Ambohimangakely, Père Pedro ary Antanetibe Ikianja kosa ny an’ireo mpanala ny BEPC.

Manitra R.

Laisser un commentaire