ActualitésTatitra

Chine : Iza moa i Jack Ma ?

Mpanderaharaha anisany malaza indrindra i Jack Ma. Teraka ny 10 septambra 1964 tao Hangzhou izy. Izy no namorona ny varotra « en ligne » voalohany (Alibaba.com) tamin’ny taona 1999 ary nitantana ny « Alibaba Group » hatramin’ny 10 septambra 2019.

Tao anatin’ireo mpandraharaha folo lehibe indrindra izy tamin’ny taona 2004 ary notendren’ny Forum économique mondial ho « jeune dirigeant global » ny taona 2005. Tsy fahombiazana hatrany nefa ny fiainan’i Jack Ma. Nahazo marim-pahaizana « licence » tamin’ny fiofanana anglisy tao amin’ny oniversiten’i Hangzhou izy. Efa nolavin’ny sekolin’ny polisy nefa izy ary efa nolavin’i Harvard in-polo. Tsy noraisan’ny KFC voalohany tao Chine ihany koa izy na dia mampandroso sakafo fotsiny aza no nangatahiny.

Nanao asa an-tselika maromaro i Jack Ma vao tonga tamin’ny toerana nisy azy, efa nanao « livreur » ny tenany talohan’ny nananganany masoivoho mpandika teny. Lasa mpamianatra anglisy izy ary voaray ho mpandika teny tao Etats-Unis ny taona 1995. Tao no nahafantarany an’ny Internet ka nananganany ny « Alibaba.com ». Tsy milavo lefona hoy izy ny tsiambaratelon’ny fahombiazana

Laisser un commentaire