Ny tsiambaran-telon’ny koba sy saosisy eto Talata Volonondry
Ny akabeazan’ireo toerana any amin’ny faritra dia misehatra amin’ny resaka varotra, matetika dia ny asa tanana malagasy ihany aza no tena be mpanao. Toa azo lazaina hoe tsy dia manana ny mapiavaka azy ny eto Afovoan-tany raha amin’ny resaka toy izany, tsy azo hadinoina anefa fa manana an’ny Talata volonondry ny eto afovoan-tany. Io toerana io dia antsoina mihitsy hoe tanàn’ny koba Malagasy sy ny saosisy.
Antsoina hoe ambanivohitra i Talata volonondry fa mahafinaritra ny olona ery ny mitsidika sy mandalo ao amin’izany toerana izany, kaominina iray ao amin’ny distrikan’Antananarivo avaradrano hatrany izy ary 11 km miala an’Antananarivo renivohitra no misy azy. Mirefy 110 Km2 ny velarany. Miisa 28 kosa ny fokontany nadrafitra azy hatrizay, lasa 17 kosa izy ankehitriny rehefa nozaraina roa ka lasa nisy kaominina Ambohidrabiby izay iray amin’ireo tendrom-bohitra 12 masin’Imerina.
Ety am-piandohana dia tsara ihany ny manamarika fa « Talata Volonondry » no anaran’ny tanàna, indrindra raha soratàna fa tsy “Talata ny volonondry” araka ilay fomba fiantso azy mahazatra akory.
Araka ny fanazavàn’i Marie, lefitry ny ben’ny tanàna teo aloha dia toy izao no nihavian’ilay anaran-tanàna hoe Talata Volonondry : « Fahiny tamin’ny andron’ny faha-mpanjaka tamin’ny fotoana nitondran’Andrianampoinimerina dia narary ny iray tamin’ireo vadiny (12 mantsy ny vadiny ka izay no nahatonga ilay tendrombohitra 12), rehefa nankany amin’ny mpitaiza azy izy dia tamin’izany fotoana dia nilaza io mpitaiza io fa mila volonondry fotsy no ilaina, nitady taminà toerana maro anefa izy ka teo Morarano (Talata Volonondry ankehitriny) tsenan’ny talata no nahitany io volonondry io, ary nanomboka teo dia nantsoina hoe Talata Volonondry ilay toerana ».
Anisan’ny mampiavaka ny tanànan’i Talata Volonondry ny koba sy ny saosisy, raha ny fanazavàn’ny Celestine izao izay mpivarotra saosisy dia « misy karazàny roa ny saosisy, eo ny misesika ovy ary eo ny misesika hena (toy ireny saosisy fahita ireny ihany) » notanisainy koa ny karazan-javatra nanaovana ireo saosisy dia ny « tsinain-kena sy lara ny toton-kena ary ny ovy, mahavita ovy fito kilao ny tsinain-kena iray, raha iray sy sasany kosa ny toton-kena sy ny lara » miezaka mampiasa ny teknikan’ny fitsitsiana izy ireo mba tsy ahafaty antoka fa saingy miezaka manome zavatra tsar any mpanjifa foana kosa. Samy manana ny fomba fikarakaràna azy ireo ary misy aza ny mpivarotra sasany any Andrenivohitra mihitsy no maka ny akora ampiasaina mba hahatomombana tsara ny zavatra atao, any Isotry na Ankadindratombo no angalàna ny entana mantsy. Tsy olona iray akory no miandraikitra ny fanaovana azy fa olona maromaro toy ny hoe orin’asa kely mihitsy, ka samy manana ny anjara asany. Mahafehy ny orin’asa keliny mhintsy ireto mponina ao Talata Volonondry ary misy aza efa am-polo taonany maro no nivelona sy namelona ankohonana tamin’io asa io.
Misy ihany ny mpanao ireny koba ireny eto andrenivohitra sy any ambanivohitra hafa any, fa ny eto Talata Volonondry dia miavaka ny koba satria kosa arak any fanazavan’ny mpikirakira azy ireny dia « malefaka ary manana tsiro miavaka ny koba aeto aminay, tsy mitovy amin’ny hafa mihitsy ary mora fantatra na any amin’ny toeran-kafa aza no amidy, misy aza ny sasany amin’ireo koba dia antsoina hoe “koba tantely” satria tantely no atao solon’ny siramamy ka hanamamiana azy ». Ny zavatra ilaina koasa indray dia : voanjo 35 kilao ary siramamy 32 kilao, mahavita koba miisa 10 izay, ravin’ankondro sy zozoro kosa no zavatra ilaina amin’izany, mila ravina longozo kely koa, tsy hadino ny maha koba azy di any « koba vary », izany hoe azao atao koa hoe totom-bary.
Ny anisan’ny olana kely sedraina kosa ho an’ny roa tonta ny fiakaran’ny vidin’ny akora (ovy, voanjo, sns) raha ho an’ny koba indray dia ny volana aogositra sy septambra ary oktobra no tena tsy mandeha ny tsena, noho ny fifanandrifiany amin’ny fotoana fampidirana mpianatra. Ny an’ny saosisy kosa dia toy ny varotra rehetra ihany : indraindray misy fahasarotana indraindray tsy maharaka ny tsena. Ny andro fety kosa dia samy fotoana mampandeha ny tsena ho an’ny roa tonta.
Milamina sy mirindra ny mpivarotra ao amin’ny tsenan’ny Talata Volonondry ary mifanaja ireo olona fa tsy toy ny ao andrenivohitra miady toerana sy terena hiditra anaty tsena akory, tsy hoe amin’ny maha ambanivohitra azy angamba ?
Ho an’izay tsy mahafantatra dia manondrana koba sy saosisy koa ny mpisehatra eto Talata volonondry, misy aza olona any ivelany manafatra koba ao amin’izy ireo. Jerena hoe ambanivohitra fa tena miketrika sy mahavita zavatra ny olona eto Talata Volonondry.
Raha liana hiara-hiasa na hividy saosisy sy koba dia tongava ety Talata volonondry fa ho tsara fandraisana ianao.
Lovasoa Tojonirina
