Fanatanjahantena: Efa nivoaka ny tapakila hiatrehana ny lalao hifanandrinan’ny Madagasikara sy I Centrafrique
Efa azo jifaina amin’izao fotoana izao ireo tapakila hahafahana manatrika ny lalao izay hifanandrinan’ny Madagasikara amin’ny Centrafrique. Hotanterahina ny 23 martsa ho avy izao izany lalao izany ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina mialohan’ny Hanatanterahana ny lalao miverina izay hatao any Douala ny 27 martsa. Lalao fahatelo amin’ny fiadian-toerana hahafahana miatrika ny CAN any Côte d’Ivoire amin’ny 2024 moa ity lalao ity.
“Ao amin’ny www.ticketplace.io no hanjifana ny tapakila izay mirary. 5 000ariary izany ho an’ny Gradins raha 10 000ariary kosa ho an’ny “tribunes supérieures” ary 30 000ariary ho an’ny “tribune centrale”. Efa azo jifaina izy io raha hanomboka ny 21 martsa kosa no ahitana ny tapakila ao amin’ny Jumbo Score AnkorondranMarihina moa o, Jumbo Smart Tanjombato ary ao amin’ny fiantsonan’ny fiara ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina Parking P1”, hoy ny avy ao amin’ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra (FMF)
Marihina moa fa mahazaka olona miisa hatramin’ny 40 500 ity kianja ity ka afaka manohana ny ekipany avokoa ny Malagasy maro. “Amin’ny maha lehibe ity kianja ity hisy ny fivarotana ny karatra amin’ny andron’ny lalao izay hatao ao amin’ny “Centre Franco-malgache Anosy”. Mbola afaka misitraka izany avokoa ny mpankafy tsirairay avy amin’ny fotoan’ny lalao”, hoy hatrany ny fanazavana.
Tonga ilay nandrasana, raha te hankafy sy hanohana ny Barea araka izany dia efa misokatra ny fanjifana ny tapakila. Efa vonona ihany koa ny kianja izay nahitam-pahasimbana ny volana janoary teo ka miandry ny fotoana sisa. Alefa Barea.
Miora Raharisolo
