Mayotte: Mikarakara ny fanombohana ny tetik’asa fiaraha-miasa amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny CCI Mayotte
Mikarakara ny fanombohana ny tetik’asa fiaraha-miasa amin’ny tontolon’ny fandraharahana aty atsimo andrefan’ny ranomasimbe indianina ny CCI Mayotte. Tanjon’io tetik’asa io fanatsarana ny toetry ny fandraharahana sy ny sy ny fanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra aty amin’ny faritry ny Canal Mozambique.
Entina hampiroborobo ny fampianarana, hampivelarana ny fahaizana sy fahalalana momba ny lalàna ara-barotra sy ara-pandraharahana ihany koa izany raha ny fanazavana. Tafifitra ao anatin’izany ny fampahafantarana ny lalàna frantsay sy eropeana ho an’i Mayotte ary ny lalàna OHADA ho an’i Comores sy Madagasikara.
Hanomboka ny 22 martsa izao kosa ny hetsika izay andro hanokafana ny tetik’asa, ny andron’ny 23 martsa no hanatanterahana ireo atrikasa samihafa.
