Royaume-Uni : Inona no mampiavaka ny « Snooker » ?
Karazany iray amin’ny « billard anglisy » ny « Snooker ». Kolonely britanika, Francis Fitzgerald Neville Chamberlain no namorona azy tao Inde tany amin’ny taona 1875.
Ekipa roa no manao ny « Snooker » izay misy mpilalao iray na roa avy. Atao eo amin’ny latabatra mirefy 3,90 m sy 2,05 m misy lavaka enina kosa izany miaraka amin’ny « bille de choc » fotsy sy « billes objets » : 15 miloko mena ahazoana isa iray avy ary enina hafa miloko mavo, maitso, volontany malefaka, manga, mavokely ary mainty izay ahazoana isa 2 hatramin’ny fito. Ahafandimby hapidirina ny « bille » mena sy ireo loko hafa.
