Ambohimanga rova: Vehivavy iray hita faty tao Ambohitrandriamanjaka
Renim-pianakaviana iray, manodidina ny 70 taona no hita faty tao an-tranony ny zoma lasa teo, tao amin’ny fokontany Ambohitrandriamanjaka, kaominina Ambohimanga Rova. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty ity vevhivavy ity. Araka ny voalaza, nahitana mangana ny tarehiny sy ny faritry ny lohany.
“Mipetra-drery amina villa ity renim-pinakaviana efa lehibe ity. Monina any am-pita kosa ny rahavaviny. Miresaka matetika amin’ny antso an-tariby izy mirahavavy. Herinandro mahery, mialoha ny nahitana ny razana anefa, tsy azo antso intsony ratompokovavy. Nisy laharana nantsoin’ilay rahavaviny tamin’izay ary nisy olona nandray. Nilaza ity farany fa : « aty Mahajanga izahay. Lasa nivoaka kely any izy fa mamerena miantso avy eo » hoy ny voalazan’ireo manodidina. Rehefa nantsoina fanindroany anefa dia tsy tratra antso intsony. Niahiahy araka izany ity rahavaviny ka niantso ny havan’izy ireo any Antananarivo, mba hijery ny zava-misy.
“Rehefa nitady izy ireo dia tonga nampandre ny zandary sy ny fokontany, ny zoma 14 oktobra teo.
Niarahana nijery ilay trano. Nikato-potsiny ny varavarana. Ny entana efa nitsitokotoko tao an-trano, toy ny efa voaomana ho taterina. Hita tao amin’ny trano kely ilay vehivavy, efa tsy nisy aina intsony, izay tombanana ho efa maty 5 andro tany ho any” hoy ny voalazan’ireo manodidina hatrany.
Manoloana ny tranga toa izao, manentana ny avy ao amin’ny fitandroana ny filaminana ny amin’ny tokony hampandrenesana azy ireo hatrany raha misy tranga mampiahiahy eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Tokony hatao izany mba hanamora ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olon-dratsy isan-karazany.
Manitra Ramanantsoa
