Antalaha: Tratehaky ny fokonolona ireo mpangalatra moto
Dépêche 19 ocotbre, 12h, Nisehoana vaky trano indray tao amin’ny Kaominina Antsahanoro ao amin’ny Distrikan’ny Antalaha. Tratran’ireo fokonolona ambodiomby izy roa lahy ireto raha nikasa hangalatra moto sy hamaky trano misy lavanila masaka. Mampiasa ody gasy mamaptory ny olona izy ireo ka tsy misy maheno ny asa ratsy hataony. Mitondra fitaovana famakiana trano sy fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny. Efa aeo ampelatanan’ny mpitandro filaminana any an-toerana moa ireto jiolahy ireto aminizao fotoana izao.
