ActualitésTsidika

Fitaterana: Hiverina hiasa ny zotra andalamby Antananarivo – Antsirabe

Manomboka ny faran’ity taona 2022 ity dia afaka hisafidy ny mpampiasa iny lalana RN7 mandrapahatonga eo Antsirabe iny satria dia vinavinaina hiverina hiasa indray ny fiarandalamby mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe.

Fahasimbana teo amin’ny tetezana Sisaony PK+17 no nahatonga ny fijanonan’ity fitaterana ity. Betsaka mpampiasa izy io tamin’izany fotoana izany ary mbola maro no hita fa liana aminy. Efa vita tanteraka ity tetzzana ity ankehitriny ary dia efa eo andalam-panamboarana ireo lalana izay tsy tomombana sy efa antitra n yeo anivon’ny ministeran’ny fitaterana amin’izao fotoana izao.

“Vinavinaina hisokatra ny faran’ity taona 2022 ity ity lalamby mampitohy an’ny Antananarivo sy Antsirabe ity. Ny tapany voalohany , izany hoe hatreo Ambatolampy no hisitraka izany aloha ka ny faran’ny volana martsa 2023 no hisokatra tanetaraka ny lalana tonga any Antsirabe”, hoy ny avy ao amin’ny ministeran’ny fitaterana.

“Mahavelombolo ny maheno zava-baovao tahaka izao. Izahay efa nisitraka izany hoe mandeha fiarandalamby izany ka mba tinay hampiainana izany ihany koa ireo zanakay ireo. Ny olana amin’iy ity fotsiny dia tsy natao ho an’ny olona maika fa somary mandeha mora izay izy. Saingy raha te hiaina experience mahafinaritra aloha dia mety”, hoy i Jean Jacques, mpampiasa ny lalana RN7.

“Anisan’ny hevitra iray hisintomana mpizahatany ihany koa ny fampiasana indray ity lalamby ity. Anisan’ny hevitra ihany koa hahasarika ny olona hitsidika ny tanànan’Antsirabe. Hampiakatra ny toe-karena maro mihitsy ny fisokafany indray”, hoy i Fenotiana, manam-pahaizana mahakasika ny toekarena.

Mbola tena mijoro tsara tokoa ireny lalamby ireny amin’izao. Ny fampiasa azy ihany anefa no hevitra iray hahafahana mikojakoja azy satria raha hajanona eo fotsiny izy dia tsy hisy hikitika sy hikarakara ka ho arafesina fotsiny eny. Foto-drafitrasa mafy sy matanjaka izany ka rariny raha hampiasaina sy hatao hampiditra vola ho an’ny firenena.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire