ActualitésTatitra

Thaïlande : Mikasa ny hanatsahatra ny fanafarana fako avy amin’ny toerana samihafa ny firenena

Tsy manam-pikasana ho tobin’ny fako plastikan’i Japon sy Etats-Unis intsony i Thaïlande. Raha ny fanambarana nataon’ny governementa dia hatsahatr’izy ireo ny fanafarana fako plastika sasantsany avy amin’ireo firenena ireo manomboka ny taona 2025. Antony ny fiadiana amin’ny fandotoana ny tontolo iainana ao an-toerana.

Amin’ny taona 2024 izao dia hampidinina 50% araky ny fahafaha-mamokatra ny fanafarana fako plastika hoy ny mpitondra tenin’ny governemanta, Tipana Sirichana. Manomboka ny faran’io taona io kosa dia hatsahatra tanteraka ny fanafaran’i Thaïlande fako plastika raha ny fanamafisany.

Raha tsiahivina dia firenena isany mpanafatra fako plastika betsaka indrindra miaraka amin’i Malaisie,  Vietnam, Turquie ary Indonésie i Thaïlande. Fako maro avy amin’ireo firenena mandroso no mitotona ao amin’ireo firenena ireo. Tamin’ny volana janoary hatramin’ny novambra 2022 teo dia nahatratra 163 000 taonina ny fako nafaran’ny firenena ary avy tao Japon sy Etats-Unis ny antsasan’izany.

Marihana kosa fa ampiasaina amin’ny asa fanodinanan ireo fako plastika ireo.

Laisser un commentaire