ActualitésTatitra

France : Hisokatra ao Paris ny hopitaly ho an’ny sokina

Hisokatra tsy ho ela ao Paris ny hopitaly ho an’ny sokina raha ny voalazan’ny le Parisien. Ny fikambanana iray « Erinaceus 2020 » miaro amin’ny fitandrovana ireo biby ireo no namolavola ity tetikasa ity ary nangataka tamin’ny ben’ny tanànan’i Paris hanokafana azy.Vitsy mpahalala fa biby arovana hatramin’ny taona 1981 ny sokina. Isan-taona dia ny roa ampahatelon’ny sokina no nanjavona any ambanivohitr’i France nandritra ny 20 taona raha ny tatitry ny « Erinaceus 2020 ». Eo amin’ny telo taona eo ny faharetam-piainan’ny sokina. Mbola maty voahitsakin’ny fiara sy ny fanafodim-biby ary ny fanampoizinana ihany nefa izy.Toerana vitsivitsy no efa mitsabo sokina, anisan’izany ny toeram-pitsaboana natokana ho azy ao Picardie. Ity vao hisokatra ao Paris ity noho izany no faharoa mandray an-tànana io biby io.

Laisser un commentaire