ActualitésTsidika

Fampianarana ambony : Miato ny fampianarana ao amin’ny Oniversiten’I Fianarantsoa

Miato avokoa ny fampianarana ao amin’ny Oniversiten’I Fianarantsoa sy ireo izay mifandray amin’ity ivon-toeram-pampianarana ambony ity. Manomboka anio 22 febroary 2022 izany fiatona izany. « Miato avokoa ny fampianarana eto amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa ho fisorohana ny loza mety hitranga amin’ny fandalovan’ny rivo-doza Emnati eto amin’ny nosy. Miankina amin’ny zava-misy sy ny lamina manaraka kosa ny fiverenan’ny fampianarana eto an-toerana” hoy ny Filohan’ny Oniversiten’I Fianarantsoa. “Ao anatin’ny fotoanan’ny rivo-doza isika amin’izao. Tsy tokony hahagaga ny fisian’izany noho isika nosy voadidina ranomasina. Mila miomana mandrakariva anefa isika” hoy i Gerard, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’I Fianarantsoa. Ao anatin’ny vanim-potoana fahamailoana isika amin’izao tandindomin’ny rivo-doza izao. Tsara ny fandraisana andraikitra mialoha mba tsy hisian’ny loza mety hamoizana ain’olona.

Laisser un commentaire